Kolikoly avo lenta : manjaka ny herisetra ara-nofo

Tranga niseho tamina fianakaviana mahatsiaro hiharan’ny tsindrihazolena no resahin’ity renim-pianakaviana ity. Mahakasika ny fanararaotana ara-nofo nahazo ny zanany, izay nataona mpandraharaha iray.

“Novetavetaina, noraviravizana vola ary norahonana mihitsy aza. Farany, bevohokan’ny tovolahy mpandraharaha ilay zanako 16 taona ary noteren’ ilay lehilahy hanala zaza avy eo”. Tsy nanaiky izany ny fianakaviana rehefa nahatsikaritra ny raharaha ka nahafantatra ny zava-misy marina.
Anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fanerena ilay tovovavy hiaraka tamin’io mpandraharaha io ihany koa ny mpampianatra azy ao an-tsekoly. Mikarama manera tovovavy ilay mpampianatra. Izy no mpanelanelana ilay lehilahy sy ireo tovovavy.
Nametraka fitoriana ireo ray aman-dreny taorian’izay. Vao teny amin’ny polisim-pirenena ny fanadihadiana dia nisy ny olona nirahan’ilay lehilahy hifampiraharaha tamin’ny fianakaviana.
Araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ny renin’ilay ankizivavy hatrany, tonga tany an-tranony mihitsy ny olona efatra saika hanao raharaham-pihavanana sy hanao kolikoly saingy tsy nety tamin’ ny fianakaviana. Mila faizina ny mpanao ratsy ho porofo velona ny asa madio sy mangarahara ataon’ny fitsarana.
Tonga teny amin’ny fitsarana ny raharaha ny 21 jona ary notanana vonjimaika am-ponja ilay lehilahy.
Ny alakamisy teo no nivoaka ny didim-pitsarana. Sazy mihantona 5 taona no azon’ ilay rangahy mpanodinkodina zaza tsy ampy taona sady nanao fanerena hanala zaza no ahina ho mpanao kolikoly.

Tsy afapo tamin’ny didy ny fianakaviana fa nampiakatra ny raharaha amin’ny ambaratonga ambony. Ahina hisy kolikoly ny raharaha . Na­me­traka fitarainana eny amin’ny ivontoerana miady amin’ny herisetra an’ny Association Fitia ihany koa ny fianakaviana.

Tatiana A

Partager sur: