Diplaomasia : mametraka ny maha izy azy eto Afrika i Madagasikara

Ao anatin’ny fanatsarana sy fampivelarana ny fifandraisana amin’ny firenena afrikanina ny fitondram-panjakana malagasy. Mifanindry an-dalana amin’izany ny vina sy fanambin’ny firenena afrikanina amin’ny fampanjakana ny “Panafricanisme”.

Manatanteraka fivahinianana ara-panjakana any Angola, na­nomboka omaly hatramin’ny anio, ny delegasiona malagasy, tarihin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Famaliana ny fanasan’ny filohan’ny Re­poblikan’i Angola, João Manuel Gonçalves Lourenço, no anton’izao fitsidihana izao. Sahala amin’ny tao Guinée-Bissau, fanamafisana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy firenena afrikanina no tanjon’izao fivahinianana ara-panjakana izao.
Mitohy hatrany ny fitsidihana ara-panjakana ataon’ny filoham-pirenena malagasy. Mi­fantoka amin’ny fampanjakana ny kolontsaina “Panafri­canis­me” sy ny fifandraisana amin’ny samy firenena tatsimo ny vo­toatin’ny fitsidihana. Amin’ity anio ity no tena ivon’ny fivahinianana. Fitsidihana ny fasan’i António Augustinho Neto, filoha angolais voalohany no hanombohan’ny delegasiona malagasy ny fitsidihana, anio. Hitohy amin’ny fifampiresahana ma­nokana eo amin’ny filoha roa tonta sy ny fihaonan’ny delagasion’ny firenena roa tonta, ao amin’ny lapam-panjakana. Hisy ny fitsidihana sy fandraisam-pitenenan’ny filoha malagasy manoloana ny parlemantera angolais, ao amin’ny Antenimi­eram­pire­nena ao Angola.
Niaiky ny haitariky ny filoha Rajoelina Andry sy ny fitandroany ary ny fiarovany ny kolontsaina “Panafricanisme” ireo mpitondra fanjakana na­many eto amin’ny kaontinanta afrikanina. Hita taratra amin’izao fitsidihana misesy izao ihany koa fa manomboka maka sy mametraka ny toerana maha firenena lehibe azy eto Afrika i Madagasikara amin’ny sehatry ny diplaomasia.

Lin

Partager sur: