Mahoraka ny any an-drenivohitr’i Boeny. Vory lanona any avokoa ny solontenan’ny mpiasan’ny fahasalamana maherin’ny 4000, hoy ny avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Vory lanona mampiseho firaisankina izy ireo. Samy nahatonga solontena avokoa ny avy amin’ny faritra rehetra.
Maresaka ny tanàna, mafana manaraka ny toetr’andro ny ambiasy. Miredareda ery ny firaisam-pon’ny mpizaika. Mirehareha izaitsizy ny mpikarakara fa tsy nampoizina, nihoatra ny 25 % ambonin’ny olona nandrasana no nanohina ny antso.Tena taratry ny firaisankina tokoa ! Inoana fa hisy fehin-kevitra goavambe hipaka amin’ny sosialim-bahoaka sy ny tolotra ho an’ny mpanjifa izany.
Iraha-mahalala ny kiana maro samihafa, mahakasika ny fomba fiasa sy ny kalitaon’ny mpiasan’ny fahasalamana eto Madagasikara. Ny hevitry ny maro rahateo mahataka-davitra. Manampy izany ny fahasamihafana izay mivondrona amin’ny toerana iray. Heverina fa tsy ho fitsangatsanganana na fialantsasatra fotsiny izany. Tsy maintsy mba misy ny dinidinika sy ny fifanankalozan-kevitra mba hanome endrika tsaratsara ilay sehatra.
Saro-pady ny fahasalamam-bahoaka, heverina fa tsy hisy ny ambohimpihaonana goavambe tahaka izao. Aia koa ro ahita ? Raha tsy hay ny manararaotra izany mba ahitan-kevitra mahasoa dia tsy hita ny handraisana azy. Tsy vitan’izany fa anisan’ny departemanta manahiran-kirana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Iray amin’ny sehatra mihidy sy tsy misokatra amin’ny mpanao gazety sy ny mpampita vaovao.
Ankoatra ny fahorian’ny marary sy ny mpianakavy izay mitaraina amin’ny afitsoky ny mpitsabo sy ny mpiara-miasa aminy, ary ny toeram-pitsaboana, mahita faisana koa ny mpanangom-baovao. Mihidy sy tsy misy mangarahara. Voahosihosy ny zo hahalala vaovao sy hanangom-baovao.
Mila jerena akaiky !
r.r