Rap ho an’ny rehetra: manomana ny 30 taona an-tsehatra ny North & Center

Tarika iray nametraka ny lokony teo amin’ny tontolon’ny rap gasy ny North & Center. Heno matetika indray, satria hiditra amin’ny fankalazana ny faha-30 taona nizarany ny kanto.

“Ditra sa revy?” Hiran’ ny tarika North & Center nalaza indrindra sy nahafantarana voalohany azy ireo ihany koa izany. Fantatrao ve fa efa tamin’ny taona 1995 no namoronana ny hira, ary nivoaka ny taona 1996 ny raki­tsary voalohany? Fa nofidian’ ny trano mpamokatra sarimihetsika iray ho hira nanamarika ilay andian-tantara nalaza “Revy sa ditra?”, izay nolalaovin-dry Kaleba sy Tiana Rafidy io, ka navaozin’ny North & Center ny taona 2004. Nitondra ny lohatenin’ny rakikira voalohany nivoaka ny taona 2005, izay nanamarihana ny faha-10 taonan’ny tarika ihany koa…
Avy aiza tokoa izany ilay anaran’ny tarika? “Niara-nianatra izaho sy i Murphy tao amin’ny kolejy Saint Joseph Maha­masina. Kilasy voalohany izahay tamin’izany, samy mpankafy rap. Izy avy any Antsiranana, izaho avy eto Antananarivo ka rehefa hoe hitambatra, tonga dia izay avaratra sy afovoany izay no noraisina, ka teraka teo ny North & Center”, hoy ny fitanta­ran’i K.D. Samy mpamorona izy roalahy, izay nohatevenin-dRalava, avy eo i Randy, izay nanomboka ny feom-behivavy tao anaty tarika. Taty aoriana niditra ho mpikambana ihany koa i Mike J. Satria nampiavaka ny tarika sy ny mozikany ilay feom-behivavy eo amin’ny fiverenana, nanatevina azy ireo koa i Kathia, Tsiory ary i Patty. “Tsy niala tamin’ny tarika akory i Murphy sy Ralava fa noho ny asa aman-draharaha no tsy nahafahan’izy ireo, fa izahay manohy hatrany”, hoy i K.D.
Raha hiverenana, avy dia feno mialoha ny efitranon’ny CCAC, nandritra ny fampisehoana manokana nataon’ny North & Center ny taona 2004, izay naverina ny taona 2005. Nandray anjara tamina seho goavana teny foana taorian’izay, na dia tsy miaka-tsehatra matetika aza. Heno sy hita indray ry zalahy tato ho ato, noho io fanomanana ny fankalazana goavana amin’ny taona ho avy io. Taorian’ny seho tany Antsirabe, manome fotoana ireo mpankafy azy eny amin’ny Chez Papa ny North & Center ny sabotsy 3 aogositra izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hetsika tolo-tanana, entina hanampiana an’i Gérard, ilay mpitendry valihan’ny tarika io. Eny, mbola mampiavaka ny North & Center koa izay nampidirana feom-baliha tanaty rap izay, ankoatra ny tononkira miresa-pitiavana, ka mora mipaka any am-pon’ny mpankafy. “Mbola maromaro ny fandaharam-potoana efa raikitra ao, fa hampitainay eo ihany”, hoy i K.D namarana ny tafa…

Zo ny Aina

Partager sur: