Nanomboka omaly ary haharitra dimy andro ny fandraisan’anjaran’ny tarika Bloco Malagasy, amin’ny sehatry ny zavakanto sy kolontsaina, mandritra ny Lalao Olympika atao any Paris, Frantsa. Ao amin’ny Site Courneuve no anatanterahina izany. Nampitolagaga ny vahiny sy ireo mpandray anjara amin’ny lalao Olympika ny seho natolotr’ireto tovovavy malagasy mivondrona ao anatin’ny Bloco Malagasy ireto. Ankoatra ny fampisehoana ara-javakanto ataon’izy ireo, tanjona ny hampivelarana
ny talenta sy fahaiza-manao amin’ireo any ivelany.
Ankoatra ny fanatanjahantena. Anisan’ny misandratra any amin’ny Paris, Frantsa mandritra ny lalao Olympika ihany koa ny zavakanto malagasy. “Unis par le sport, liés par la culture” io no lohahevitra voizina ao anatin’izao tetikasa fifampizarana ara-javakanto mandritra izao hetsika lehibe izao. Eo koa ny fampiainana ny mpandray anjara amin’ny kolontsaina Olympika. Misy ihany koa ny atrikasa mahakasika ny dihy sy ny mozika, ny fifampizarana ara-kolontsaina eo amin’ny samy mpandray anjara.
Fotoan-dehibe ahafahana mivelatra eo amin’ny lafiny zavakanto ho an’ireo mpikambana eo anivon’ny tarika Bloco Malagasy ny sehatra sahala amin’itony. Miisa 11 izy ireo ary tovovavy avokoa. Marihina fa ankoatra ny fiatrehina ny lalao Olympika dia hisy ihany koa ny fitetezam-paritra ao Espagne hataon’izy ireo.
Lin




