TARATRY ny KANTO

Olombelo Ricky Accoustic Band, any amin’ny B Live Club Antsirabe. Handray ny “Manala azy” amin’ ny endriny mifanakaiky kokoa ireo mpankafy any Vakinankaratra, anio manomboka amin’ny 8 ora alina. Ho vahinin’ny Olombelo Ricky hatrany ireo namany efa ela nihetezana teo amin’ny mozika, Sylvin Marc sy i Edgard Ravahatra.
“Samy mandeha, samy miady”. Fampirantiana hosodoko etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo amin’izao fotoana izao io. Sanganasan’ilay mpanan-talenta A.J, izay maneho ny zava-misy amin’ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy. Aingam-panahy nalaina tamin’ireo zavakanto an-dalambe no havoitran’ny mpanakanto anatin’ireo fafana haranty ao.
Manjakabetane ao amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Tarika iray mivoy ny mozika fototra avy any Andry izy ireo. Hizara ny beko, tarova, sns, ry Eric anio, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Misy ireo hira efa fahenon’ny maro, fa ao koa ireo vao hozaraina mba hipaka any amin’ireo tena mpankafy mozika.
Mirado, etsy amin’ny Parking Kianja Barea. Hotontosaina rahampitso sabotsy, manomboka amin’ ny 3 ora tolakandro ity fampisehoana efa nomanina ela ity. Fotoana hitondran’i Morado an-tsehatra indray ireo hirany efa ela tsy nataony, toy ny “Trano bongo”, “Ny fiainako”, sy ireo vaovao toy ny “Rahatrizay”, sns.

Partager sur: