Hetsika iray maneho ny kolontsaina mivelatra ny «Festival Sobahya». Hiditra amin’ny andiany faha-18 sahady izany amin’ity, hatao any Katsepy, ny 9 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao. Fanomezan-danja ny «Sobahya», ilay lamba mampiavaka ny Sakalava Maroambitsy, monina any amin’ity tapany andrefan’ny Faritra Boeny ity izany. Nisy ny fampahafantarana ny hetsika, izay notontosaina omaly, tetsy amin’ny Telma Analakely.
Fantatra tamin’izany fa hisy ny seho lehibe anatin’ny “Festival”, ka hanafana izany ry Jean Aimé sy Marolahy. Ho vahiny manokana kosa ry Komo sy ny tripy Choc Choc avy atsy Mayotte. Ho fahenoana iray fifanakalozana ara-kolontsaina akaiky dia akaiky eo amin’ny mponin’i Mayotte sy ny Malagasy avy any amin’ iny faritra avaratra sy andrefana iny izany.
“Taorian’ny zava-nitranga noho ny Covid, nanome tetibola 40 tapitrisa Ar mba hamerenana indray ny “Festival Sobahya” ny Faritra Boeny. Mivelatra kokoa izany amin’ity noho ny fisian’ny fiaraha-miasa amin’i Mayotte”, hoy ny nambaran’Andriatomanga Mokhtar, lehiben’ny Faritra Boeny. “Voalohany ny fiaraha-miasa eo amin’ny “Festival Sobahya” sy ny Telma amin’ity. Ho fanamafisana hatrany ny fanohananay ny kolontsaina eto Madagasikara izany”, hoy ny nambaran’i Henintsoa Randrianjatovonarivo, tompon’ andraikitry ny seraseran’ny Telma. Nampanantena kosa ny avy ao amin’ny Ofisim-paritry ny fizahantany ao Boeny fa hisy baka maimaimpoana hampitohy an’i Mahajanga sy i Katsepy mandritra ireo telo andro ireo, noho ny tsy fisian’ny fotodrafitrasa mahazaka vahiny maro any an-toerana.
Zo ny Aina