Johary mihira Kintana Telo. Fotoan-dehibe rahampitso alahady, ho an’ireo mpankafy ny kalon’ny omaly. Hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro ilay fampisehoana ao amin’ny CCEsca Antanimena, iarahana amin-dry Gothlieb, Luk ary Mahery, hamelona indray ireo hira novazoin’ny Kintana Telo. Mbola eo ihany koa i Salomon, hiray sehatra amin’izy ireo.
Anisan’ny handray anjara amin’ny hetsika «Festival Jazz tohatohabato», i Fanja Andriamanantena. Mandritra ny fampisehoana famaranana, hatao ny 11 aogositra 2024, eny amin’ny Tohatohabaton’ Antaninarenina izy no hiaka-tsehatra. Tsiahivina fa gadona maro samihafa no ho hita mandritra ny hetsika saingy ny «Jazz» fotsiny no omena lanja manokana.
Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny 44 Bistrot Tsaralalana ny «Babylon Ah Fall #3». Fampisehoana iarahana amin’ny Ital Sound System, nanasana manokana an’i Kheman sy G-Razah. Gadona Reggae ranoray no handravaka ity fampisehoana ity, miaraka amin’ireto mpanakanto miangaly ny gadona eto Madagasikara.
Manomboka mitodika tsikelikely amin’ny fomba amam-panao malagasy ny tanora ankehitriny. Na mbola manome lanja kokoa ny endrika ivelany
aza izy ireo, tsikaritra fa efa maro ireo liana amin’ny votoatiny. Tsy mijanona hatreo amin’ny fitafiana lamba vita amin’ny landy fa manontany ny tena hevitry ny lamba sy ny fipetrany eo an-tsoroka. Mba hialana
amin’ny fanandratana ny endrika ivelany, mila mampita fahalalana ny raiamandreny. Ampy izay ny “be tsy miteny”!