Niato ny hetsiky ny mpianatra: “Tsy nisy fanatsarana mihitsy ny fotodrafitrasan’ny politeknika”

Tsy mbola nilamina tanteraka ny eny Vontovorona. Nisy ny fanambarana nataon’ny minisitra mpisolo toerana fa hivoaka amin’ny herinandro ambony ny lisitr’ireo mpianatra hisitraka vatsim-pianarana telo volana faharoa.

Niato ny hetsika fitakiana teny amin’ny politeknika Vonto­vorona, omaly. Namangy ny namany naratra teny amin’ny HJRA kosa ireo mpitarika ka nitondra fankaherezana ho azy. Mbola tao amin’ny sampana Vonjy aina ity mpianatra naratra mafy teo amin’ny masony ity, araka ny vaovao nampitain’ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra eny Vontovorona, Stéphano Hajalalaina. “Henonay ny fanambaran’ny minisitra mpisolo toerana, Ravokatra Fidiniavo fa rehefa tsy mifanaraka amin’ny fitakianay ny valiny naroson’ny fanjakana dia hitohy hatrany ny hetsika amin’ny herinandro ary tsy hiato mihitsy”, hoy ny nambarany ihany, omaly. Olana lazain’ny fanjakana isan-taona fa mahatara ny fandovana ny vatsim-pianarana ny fahataran’ny fandefasana ny antontan-taratasin’ny mpianatra sy ny “doublon”. Tokony efa voafehin’ny teknisian’ny minisitera izany satria miverimberina. Momba ny fanamboarana ny fotodrafitrasa samihafa lazain’ny minisitra fa notanterahina, tsy mbola nisitraka fanatsarana ny eny Vontovorona manokana, satria manjaka ny loto eny an-toerana, ny rano sy ny toeram-pivoahana rehetra maloto avokoa. Ny oniversite hafa no mety nahazo fa­navaozana fa tsy tafiditra amin’izany ny politeknika.

Hivoaka amin’ny herinandro ny lisitra
Nanambara ny minisitry ny Fampianarana ambony, mpi­solo toerana, fa hivoaka amin’ny herinandro ambony ny lisitry ny anaran’ny mpianatra hahazo ny vatsim-pianarana telo volana : volana fahefatra, fahadimy ary fahenina. Manamarina ny anarana ny mpiasan’ny minisitera amin’izao fotoana izao, satria misy dingana arahana ny famoahana ny volam-panjakana. Efa nivoaka ny tetibola rehetra ho an’ny fandoavana ny vatsim-pianarana.
Nanao fanambarana koa ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversiten’Antananarivo (Seces) fa manameloka ny fampiasan-kery natao tamin’ny mpianatra izay nitaky ny zony. Misy koa ireo mpanararaotra nanimba ny fananan’ny mponina teny amin’ny manodidina ka niantso ny mpianatra ho mailo izy ireo.

Vonjy

Partager sur: