Fanarenana taorian’ny rivodoza: fianakaviana 485 ao Ambilobe nizarana fitaovana

Efa manomboka miarina ny fiainan’ireo mponina lasibatry ny fahasimbana noho ilay rivodoza
Gamane farany teo, ho an’ny distrikan’Ambilobe. Ho an’ireo lalana nahitana fahasimbana toy ny ao Efasy sy ny eo Maha­vavy, vita vaovao avokoa izany ary miverina amin’ny asany andavonandrony ihany koa ny mponina. Manohy ny fanampiana ireo olona nisedra fahasahiranana noho ny fahavoazana tamin’ny Gamane ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny BNGRC ka fanarenana ho an’ny mponina no natao.
Noho izany, fianakaviana 485 avy amin’ny kaomina fito 7 ao anatin’ny distrikan’Ambilobe (Ambilobe, Betsiaka, Ambakirano, Antsiravibe, Apondralava, Mantaly ary Beramanja) no notolorana fitaovan-dakozia toy ny koveta, ny vilany, siny, zinga, sotro hampiasain’izy ireo amin’ny fiainana andavanandro. Nozaraina ampahibemaso niarahan’ny ekipan’ny BNGRC sy ireo ben’ny Tanàna, ny solontenan’ny minisiteran’ny Mponina ao Ambilobe, ny lefitry ny distrika, ny avy amin’ny zandarimariam-pirenena ao an-toerana ary ny solombavambahoaka ireo kojakojan-tokantrano ireo. Fiaraha-miasa tamin’ny Hungary Helps no nahafahana nanana ireo fitaovana ireo.

Vonjy

Partager sur: