INDRAY MIJERY

Mamarana ny fiofanany amin’ny alalan’ny fi­haonana an-tampony atao aoWashington DC ireo tanora Malagasy nahavita ny fiofanana Yali Mande­la…(MWF) 2024. Samy nandranto fahalalana tany amin’ny Oni­versite nivantanany avy izy ireo ka mi­haona miaraka amin’ireo mpiofana rehetra nisitraka ny vatsim-pianarana.
Tanterahina ao Fianarantsoa, nanomboka tamin’ity herinandro ity, ny Androm-pirenena ho an’ny fanabeazana sekoly katolika eto Madagasikara. Fotoana hitondra am-bavaka ny fanabeazana sy hanaovana hainga vao indray ho an’ny taom-pianarana vaovao ny hetsika izay handraisan’ny sekoly katolika rehetra anjara.
Natokana ho an’ny mpianatra sy ny mponina amin’ny manodidina ny Campus Ambondrona-Maha­janga ny hetsika fanentanana “ady amin’ny VIH/Sida sy ny fitiliana maimaimpoana”, natao ny faran’ny volana teo. Liana ny mpianatra ka tonga maro nanao fitiliana tao amin’ny Complexe sportif Ambondrona.

Partager sur: