Mahatratra 4500 ireo mpiasan’ny fahasalamana manatanteraka ny fihaonambe any Mahajanga (SPSM), nanomboka tamin’ity herinandro ity. Nahatonga solontena mavitrika avokoa ny avy amin’ny faritra 23.
Fanehoana firaisankina sy fampivondronana ny hery ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana no tanjona.
Ahitana ireo toko telo mahamasa-nahandro, ireo dokotera, ny paramedy sy ny infirmiera ary ny mpandraharaha eny anivon’ny hopitaly sy ny tobim-pahasalamana ny hetsika.
Fanentanana maro sy hetsika ara-kolotsaina, ara-javakanto ary ara-panatanjahatena samihafa no natao, omaly. Hitohy hatrany ny fihombonana ary ny renivohitr’i Toamasina indray no handray ny fihaonambe fahatelo amin’ny taona 2025.
Tafiditra anatin’ny fiahiana ny maha olona izay andry fahatelon’ny vina fampandrosoana an’i Madagasikara ny fanokanana fotoana ho an’ireo mpiara-miasa. Ireo mpiasan’ny fahasalamana no kitro ifaharan’
ny fampandehanana ny fitsaboana ny marary eny amin’ireo tobim-pahasalamana sy hopitaly rehetra manerana ny Nosy. Izy ireo koa no iharan’ny fanenjehana mivaivay raha misy ny tsy fetezana kely mandritra ny fanatanterahana ny asany.
Maneho firaisankina amin’ny fanehoana ezaka hanatsarana ny fahasalamam-bahoaka, araka izany, ireo mpiasan’ny fahasalamana.
Tatiana A




