Base Toliara : tsy manelingelina ny jono ny fiantsonan’ny sambo

Anisan’ny nanatrika ny fakana ny hevitry ny vahoaka, mahakasika ny Fanadiha­diana ny fiantraikan’ny tetikasa ara-tontolo iainana (EIE), natao ny taona 2013-2015 tany Toliara, i Emmerand Joseph, mpikambana ao amin’ny fikambanana Akio Viko. Noraisin’ny Base Toliara da­holo ny fanehoan-kevitra sy ny ahiahin’ny mponina. Efa nanome toky ny orinasa fa tsy hanakana ny mpanjono Vezo tsy hanjono, tsy araka ny tsaho sy ny vaovao tsy marina iniana aely.
Manampy izany, efa voasoritra ao anatin’ny drafitra, fa atao ambonin’ny lalana falehan’ny sambo ny fotodrafitrasa (jetée) mankeny amoron­tsirak’Andaboy. Natao izany, na dia efa nikisaka eny afovoan-dranomasina aza ny mpanjono vezo.
Nilaza koa i Emmerand Joseph, fa « afaka manohana ny seha-pihariana jono ny tetikasa Base. Fantany tsara ny olana diavin’ny mpanjono
amin’izao fiovan’ny toetr’andro izao, satria mihena ny ha­betsahan’ny hazandrano azo nefa mitotongana koa ny vidiny. Mbola fomba tranainy ny fanjonoan’ny mpanjono sady tsy ampy ny fitaovana ».
Miandry ny hanokafana ity orinasa ity ihany koa Rtoa Ratianantenaina Aurélie, avy amin’ny Fikambanan’ny mpivarotra fia (Fimpifima) any Toliara. « Efa nisy ny fifanarahana natao tamin’ny Base, hamatsiana hazandrano azy isan’andro. Sahirana izy ireo, ankehitriny, satria tsy misy ny mpamongady manangona ny vokatra », hoy izy.

Njaka A.

Partager sur: