VAOVAO TAMBATRA

 Milanja 495 taonina ireo vokatra kafe naondran­tsika ny taona 2020 raha toa ka nahatratra 43 587 taonina izany ny taona 1999. Tsy nitsahatra mito­tongana ny famokarana. Manoloana ireo olana sedrain’ny mpamokatra sy ny lalam-pihariana. Nijery vahaolana maharitra hametrahana ireo paikady ho­entina hampiroboroboana ny seha-pihariana sy ny sehatra ara-barotra ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana.
 Mitaona ny sehatra tsy miankina ho mpiara-miombon’antoka amin’ny rafi-panjakana hampiroborobo ny indostria eto Madagasikara ny minisitera. Nihaona tamin’ny Sekretera jeneralin’ny minisitera ny  filohan’ny vondron’ny mpandraharaha tsy miankina misehatra eo amin’ny indostria, toy ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM), ny Fivondronan’ny Mpandraha­raha Malagasy (FIVMPAMA), ny Vondron’ ny Orinasa eto Madagasikara (GEM) ary ny Vondron’ny Vehivavy Mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM), omaly teny Ambohidahy.
 Karatra maha mpanjono miisa 71 mivondrona anaty fikambanana miisa dimy ao amin’ny fokontany Takoandra, faritra atsimo Atsinanana. Nisitraka karatra 50 isa kosa ny mpanjono ao amin’ny fokontany
Anka­rimbelo avy amina fikambanana roa. Tanjona ny hampanarahan-dalàna ireo mpanjono eto Madaga­sikara.
Partager sur: