Fofifa : mitaky ny hialan’ny tale jeneraly ireo mpiasa

Tapitra ny fe-potoana 72 ora nomen’ireo mpiasan’ny Foibem-pikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra (Fofifa) hialan’ny tale jeneraly am-perinasa. Miroso amin’ny fitokonana faobe ireo mpiasa.

Mitokona sy mitaky ny fanesorana ny tale jeneraly am-perinasa ny Foibem-pikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra (Fofifa) ireo mpiasa manerana ny Nosy taorian’ny fe-potoana 72 ora nomena azy. «Tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fitantanana tao anatin’ny telo volana nandraisany andraikitra ka mitarika korontana eny anivon’ny orinasa sy tsy fifampitokisana eo amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa eto an-toerana sy any ivelany», hoy Rasolofoari­manana Lucien, mpikaroka eo anivon’ ny Fofifa. Nilaza izy fa tsy nisy nahomby ny asa rehetra natao hatramin’ny nahazoan’io tale jeneraly vaovao io ny fitantanana. Voatery natsahatra tanteraka ny fankalazana ny faha-50 taonan’ity foibem-pikarohana ity.
Noho izany, hitohy ny tolona ataon’ireo mpiasa mandra-pialan’ny mpitantana.

Tombontsoa
Nanao laharam-pahamehana ny tombontsoany manokana hatramin’izay ny tale jeneralin’ny Fofifa. Tsy navaza ihany koa ny lalan-tsaina sy paikady itondrany ny ivontoeram-pikarohana ka mikorontana tanteraka ireo asa rehetra. Ankoatra izay, «tara ny karaman’ireo mpiasa» hoy Tefy, sendikan’ny mpiasa. Manahy ny fihemoran’ny lanjan’ity foibem-pikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra ity ireo mpiasa. Ankilany, tsy nitondra fanazavana mahakasika ny fitokonana ataon’ny mpiasa kosa ny tale jeneraly.

Henintsoa Hani

Partager sur: