CNEC : Ambatolaona Zandary 69 nahazo “brevet”

Nifarana omaly ny fiofanana «Commando Apinga» nata­on’ireo zandary teo anivon’ny FIGN sy ny GSIS Ivato, teny amin’ny foibem-pirenena fiofanana «Commando Amba­to­laona na CNEC, an’ny Tafika Malagasy eo anivon’ny Bataillon voalohan’ny mpilatsaka an’elonaina. Misokatra ho an’ireo hery rehetra amin’ny famolavolana ireo mpitandro filaminana ho lasa Commando ny CNEC Ambatolaona. Araka izany, miisa 69 ireo mpiofana nandritra izany ka ny 50 amin’ izany dia avy eo anivon’ny FIGN raha avy eo anivon’ny GSIS kosa ny 19. Naharitra telo herinandro ny fiofanana ka ao anatin’izany ny tsy maintsy hahavitana ireo sedra rehetra vao mahazo ny brevet commando Apinga. Tonga nanotrona izany ny famoahana ireo mpiofana teny an-toerana ny lefitra faharoan’ ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Tsitambala Nixor sy ireo tomponandraikitra ambony avy eo anivon’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny FIGN sy GSIS ary ny kaomanidin’ny Bataillon voalohan’ny mpilatsaka an’elonaina ny Kly Gianni Tiarison Andriakoto.

Jean Claude

Partager sur: