Asa… anamarinan-toerana

Mby aiza ny hoe fampandrosoana amin’izao? Samy miaina izay isiany andavanandro ny isam-batan’olona, ny isan-tokantrano, ny isam-paritra. Tena maharesy lahatra ny vahoaka ifotony ve, ohatra, izay ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny hoe fampandrosoana? Na araka izay hetahetam-bahoaka sy mahasoa azy ho amin’ny fari-piainana tsaratsara kokoa hatrany izay atao sy iadiana… Izay no manamafy ny fifampitokisana nifamarafarana tamin’ny fifidianana? Mbola ho avy koa ny fifidianana ben’ny Tanàna, izay tena manakaiky vahoaka indrindra amin’ny fampandrosoana ifotony sy mivantana.
Manana anjara amin’izay fampandrosoana izay ve ny vahoaka ifotony? Tsy miandry toloram-potsiny, saro-piaro sy mifampiaro amin’izay (n)atao… Misy ny tamberin’andraikitra takina amin’ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry: hiasa ho an’ny vahoaka amin’ny fahefana ampindramina na omena azy. Fa misy koa ny tamberin’adidy andrasana amin’ny vahoaka izay misitraka ny asa fampandrosoana: fitandremana, ohatra, fikojakojana, fanatsarana… Izay te handroso no mora ampandrosoina, izay tena araka ny hetaheta no ahazoana sitraka sy mahasaro-piaro. Mifameno izany fa tsy mifamono.
Hatraiza ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra? Tsy vita teo amin’ny fifidianana fa mila amafisina amin’ny asa mivaingana. Tena mahalala izay mahazo ny vahoaka ny tomponandraikitra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga? Na mahita sy mankasitraka izay sitrahiny amin’ny asa ataon’ny mpitondra ny vahoaka… Ny vahoaka no tena antom-pisian’ny mpitondra? Izay no tena isian’ny fahamarinan-toerana, na eo aza ny lafiny politika mampifampikitrana lava ny tsy mitovy fijery. Asa mivaingana, azo refesina sy amarinina… Izay no ahazoana manamarin-toerana sy tena?

R. Nd.

Partager sur: