Anaran-tsamirery malagasy: misy hevitra fonosiny noho ny finoan’ireo ray aman-dreny

Anisan’ny mamaritra ny maha izy azy ny olona iray ny anarana. Na­nana ny heviny izany teo amin’ny Malagasy, indrindra tamin’ny va­ninandro taloha. Somary very, noho ny fanarahana ny fomba vahiny izany
amin’izao fotoana izao.

Anisan’ny firenena manana anarana lava ny eto Madagasikara. Voaka­sik’izany ny anaran-tanàna sy ny anaran’olona. Mampito­lagaga ny vahiny izany halavan’ny anarana eto Mada­gasikara izany. Ankoatra ny halavan’ny anarana, mahavariana ireo vahiny koa ny namoronana azy. Manoloana izany, nanapa-kevitra ny profesora Ranaivoson Jeannot Fils, mpampianatra eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, handalina ny mahakasika ny anaran-tsamirery malagasy. Fikarohana entina mamantatra ny fototra nahatonga izany sy ho fahalalana ho an’ny taranaka.
Anisan’ny antony voalohany mahatonga ny anaran’ny Malagasy lava ny hevitra fonosiny, izay avy amin’ny finoana. Amin’ny ankapobeny ireo anarana nalaina tamin’ny anarana vahiny no matetika tsy hain’ny Malagasy ny mitondra azy. Raha ny anarana malagasy dia misy heviny avokoa. Na niankina amin’ny zava-nisy teo am-pahatera­han’ilay zaza izany, na ny lanjan’ny hevitra fonosiny eo amin’ny fianakaviana.

Vintana!
Maro tsy tambo isaina ny antony mahatonga ny ray aman-dreny misafidy sy ma­metaka ny anaran-jaza. Misy ny zaza izay heverina ho fiandrian’ny fianakaviana dia ome­na anarana mifanaraka amin’izany. Nisy ny fitiavan’ny ray aman-dreny manokana, ohatra, Rahantavololona, An­drianirina, sns.
Anisan’ny hizarana ny fanirian’ny ray aman-drenin’
ilay zaza ho azy koa ny anarana, ohatra amin’izany ny hoe Rapanarivo. Ankoatra ireo, singa iray entin’ny ray aman-dreny manome anarana ny zanany ihany koa ny lafiny vintana. Entina manitsy ny vintan’ilay zaza ny anarany. Ohatra, omena ny anarana Ratsimandresy ny zaza, raha mahery vintana. Mba tsy hanonto vintana ny ray aman-dreniny izy.
Raha malemy vintana kosa ny zaza, anarana ma­nandratra vintana no omena azy. Finoana avokoa no nahatonga izany. Mino ny Mala­gasy fa hitondra soa ho an’ny zaza ny anarana. Araka izany, ny finoana no nahatonga ilay famoronana somary samihafa sy mahatonga azy hifono hevitra lalina.

Tanim-boanjo
«Anarana tanim-boanjo ka izay kely famaritra no voa». Anisan’ny nanosika ny Mala­gasy hanao ny anarana lava ihany koa io ohabolana, te­nim-pahendrena malagasy io. Tsy mitsitsy ny ray aman-dreny raha manao anaran’ny zanany. Migalabona amin’ny famoronana anarana ho tokana saingy lavabe. Ohatra: Andriantsimitoviaminandriandehibe. Tokana ilay anarana saingy lava, sady mirakitra faniriana sy firariantsoa ho an’ilay mitondra azy.
Niova nanaraka ny vanim-potoana anefa izany. Lasa nipetraka ny fitondrana ny anaran-dray. Tsy tafapetraka intsony ireo antom-pamoronana anarana. Lasa ny anaran’ny ray niteraka na ny raibe tany aloha tany no ifandovana. Nanomboka very ny hasina sy ny maha izy ny Ma­lagasy. Antony, efa malemy vintana aza ilay zaza teraka ka taranaky Ratsimandresy dia mbola Ratsimandresy hatrany ny anarany. Ny fanirian’ny ray aman-dreniny ho an’ny zanany sisa no hita amin’ny anarana taorian’izany.

Nanaraka ny an’ny vahiny

Mbola niova hatrany ny fametahana anarana rehefa tafiditra teto ny vahiny. Lasa nanomboka nampiasa ny fanampina anarana, sahalan’ny an’ny vazaha ny Malagasy. Tsy tokana intsony ny anarana malagasy fa lasa roa. Raha tokana, sahala amin’ny hoe Rangita, Imboasalama izany taloha, nivadika ho Nomenjanahary Tsilavina izany taty aoriana. Tsy nijanona teo anefa ny fiovan’ny fahizin’ny anarana malagasy. Niova hatrany izany rehefa tafiditra ny fivavahana kristianina. Lasa nisy anarana vahiny izany ankehitriny. Nipetraka ny hoe anarana amin’ny Batemy. Tsy nijery izay dikany ny Malagasy. Nanaraka ny kalendrie gregorianina fotsiny. Izay anarana voasoratra amin’ny kalandrie amin’ny andro ahaterahan’ilay zaza fotsiny no omena azy.
Amin’izao fotoana izao, vitsy ny Malagasy manome anaran-janaka noho ny vintana. Lasa mahazo laka ny fanomezana anarana amin’ny teny vahiny noho ny finoana kristianina. Efa vitsy ihany koa ny mampiasa ny hoe izay zava-misy eo am-pahaterahana no anomezana ny anaran’ny zanany. Somary mbola manana ny toerany kosa ny fanomezana anaran-janaka noho ny fanirian’ny ray aman-dreny ny zava­tsoa ho an’ny zanany. Tsy sahala ilay fanaon’ny Malagasy taloha ela be anefa fa fanomezana anarana ny olo-malaza ny zaza. Anton’izany ny mba hanahafan’ilay zaza ilay olo-malaza entiny anarana.

Nanantontosa: Lin

Partager sur: