«Disco Afrika: A Malagasy story». Sarimihetsika amin’ny teny malagasy, notontosain’i Luck Razanajaona, novokarin’i Jonathan Rubin ary niarahan’i Francois Hebert, Marcelo Novais Teles, Ludovic Randriamanantsoa ary Parista Sambo nanoratra. Ity sarimihetsika ity no vokatra malagasy hampahafantarina mandritra ny «Festival cinémas d’Afrique Lausanne», hetsika iray miompana manontolo ho an’ny sarimihetsika afrikanina, hatao any Suisse. Hiditra amin’ny andiany faha-18 izany, izay hotontosaina ny 15 hatramin’ny 18 aogositra izao.
Sarimihetsika nivoaka ny volana aogositra 2023 ny «Disco Afrika». Mifototra amin’i Kwane, tovolahy malagasy 20 taona ny tantara. Maneho ny andavanandron’ny mpitrandraka vatosoa, miatrika ny fiainana misy eto Madagasikara, izay hanjakan’ny kolikoly amin’ny endriny maro. Nasiana «sous-titrage» amin’ny tenim-pirenena maro ity sarimihetsika ity, ka afaka nandray anjara tamin’ireo hetsika iraisam-pirenena.
Zo ny Aina