DAKA AN-JORONY: mihazakazaka tratry ny miadana

Taorian’ny tsy fahombiazan’ireo atleta malagasy niatrika ny lalao Olympika atao any Paris France, samy naneho hevitra avokoa na ireo mpifaninana na ireo mpitantana. Manalasala toy ny mpivarotra jamba nividy fitaratra izany. Nahoana rehefa tojo ny vokatra ratsy vao miteny ny tsy mety?

Fomban’ny mpanao fanatanjahantena na Malagasy mpitantana mihitsy ity manaiky be fahatany ity am-boalohany satria te handeha. Tsy mahasahy miloa-bava na mahita lesoka amin’ny fanomanana aza. Rehefa kenda vao domy aho ranoatra. Izany tokoa ilay hoe : Mihazakazaka tratry ny miadana. Miseholany ny fanomezan-tsiny etsy sy eroa, mikitro-piavy toy ny valala ny fanazavana ao anaty tambanjotran-tserasera. Tsy lasa lavitra anefa fa toy ny bainga voavadika ka eo ihany.
Tsy misy sahy mitolo-batana ho tompon’antoka amin’ny tsy fahombiazana fa samy miala andraikitra avokoa. Samy tsy te ho voaloto ka mihazakazaka tratry ny miadana. Malahelo ny Malagasy satria resin’ireo Nosy kely eo akaikiny izay tsy misy vahoaka 10 tapitrisa akory ity Nosy lehibe indrindra aty amin’ ny faritry ny ranomasimbe Indianina ity. Goavana saingy tsy mandeha ka mihazakazaka tratry ny miadana.
Ny baolina kitra izay mankarary aina ny rehetra, jerem-potsiny toa tany nahalavoana ny kianja. Tsy azo hifaninanana akory fa mandadilady sy miangavy etsy sy eroa, mindrana toerana hikatrohana amin’ny mpifanandrina. Toy ny olona avy niantsena, mavesatra harona fa tsy manan-katokona.

Azo antoka fa raha sanatria hisy ny faharesena, hifanome tsiny eto indray. Tsy mahagaga fa izany ny tena talentan’ny Malagasy. Toy ny mihazakazaka tratry ny miadana eto foana izany. Dia ho aiza eo nefa ê !

Tompondaka

Partager sur: