Kitra- D2 Nasionaly: misongadina ny AS Fos, nanao sahala ny AS St Anne

Notanterahina omaly ny andro fahefatra, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­kara, taranja baolina kitra, diviziona faharoa, “World Cola Ligue des Champions D2 National”. Niraraka toy ny rano ny baolina maty tany amin’ny faritr’i Toamasina. Nomontsanin’ny AS Fos Analanjirofo tamin’ny isa 10 no ho 2, ny ekipan’ny 3M Atsinanana.
Nisaraka ady sahala 0 no ho 0 kosa ny fifanandrinan’ny AS St Anne Analamanga sy ny FC Zoya Boeny. Lalao izay natao, tany Vohemar. Araka ny fikarohana natao, manana isa dimy ny ekipan’Analamanga, taorian’iny andro fahefatra iny. Mitana ny isa fito kosa ny AS Fos, ao amin’ny vondrona misy azy ireo. Nilaza ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny AS St Anne, tompon­dakan’ Analamanga farany teo, fa tsy maintsy haka ny fandresena manoloana ny ekipan’ny Asja le Requin Diana, izy ireo, ny talata ho avy izao, raha ti­an’izy ireo ny ho tafita amin’ny dingana manaraka.
Tsiahivina fa amin’ity fifaninanana nasionaly ity, miisa efatra ny vondrona ary ahitana klioba enina avy izany. Izay telo voalohany isan-tsokajy ihany no miakatra ao amin’ny dingana faharoa. Hozaraina, andiany roa indray ireo klioba 12 tafita ireo ka izay roa voalohany no hiatrika ny “Poule des AS”, izay hatao lalao mandroso sy miverina, ka ireo ekipa roa manana isa tsara indrindra no miakatra ao amin’ny fifanintsanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)”.

Fitia Randria

Partager sur: