Nampahafantarin’ny tomponandraikitry ny fifaninanana « Gourmand World Cookbook Awards », omaly, ireo boky voasokajy hiatrika ny fifaninanana amin’ity taona 2024 ity. Tafiditra ao anatin’izany ny boky nosoratan’i Henintsoa Moretti, Malagasy miangaly ny sehatry ny haify. « Haka fy tsiro » no lohatenin’ity boky ity, ahitana nahandro maro samihafa mampiavaka ny Malagasy. Ao anaty sokajy « Celebrity Chefs World » sy “Food heritage” no misy azy, miaraka amina boky efatra.
Boky an-jatony, mirakitra haify sy nahandro, avy amina firenena maro eto amin’izao tontolo izao, no mandray anjara amin’ity fifaninanana atao isan-taona ity, nanomboka ny taona 1995. Miditra amin’ny andiany faha-30 ny fifaninanana amin’ity taona ity. Tanjona ny hampiroborobo sy hankasitraka ireo voka-pikarohana maro samihafa, mahakasika ny haify sy nahandro. Eo ihany koa ny fanampiana ireo mpankafy ny haify amin’ny boky tsara tokony hojifainy. Ny volana novambra 2024 no hahafantarana ny mpandresin’ity fifaninanana ity.
Anisan’ny nahafeno ny fepetra ahafahana mifaninana amin’izany ny boky “Haka fy tsiro” maneho ny maha izy ny faritra tsirairay eto Madagasikara. Ny volana febroary 2024 no natonta ity boky ity ary vinavinaina hatonta indray amin’ny teny frantsay sy malagasy, amin’ny volana desambra 2024.
Lin