Hisitraka tohana mitentina 205 tapitrisa dolara ireo mponina maherin’ny 6 tapitrisa avy eto Madagasikara, kaomoro ary Mozambika amin’ny alalan’ny fandaharanasam-paritra vaovao an’ny Banky iraisam-pirenena manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Nankatoa izany Programme régional pour la préparation aux situations d’urgence et un relèvement inclusif (Repair). Fito andro aorian’ny loza voajanahary dia hisitraka fampitaovana azo ampiasaina avy hatrany ireo mponina hamerenana indray ny fidiram-bolany. Ankoatra izay, hametraka tahirim-bola isam-paritra ihany koa ny fandaharanasa hanatsarana ny fitsinjarana izany mba hipaka mivantana amin’ireo lasibatra. « Mazàna lasibatry ny loza voajanahary ireo firenena aty atsimon’i Afrika. Antony nametrahana ny fandaharanasa Repair mba hahafahana mitondra vahaolana haingana sy famatsiam-bola ho an’ireo tra-boina», hoy Idah Z. Pswarayi-Riddihough, talen’ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena ho an’i Mozambika, Madagasikara, Maorisy, Comores ary Seychelles.
Henintsoa H.