Tonga eto Madagasikara ny modely vaovao amin’ireo moto an’ny Royal Enfield, ny « Himalayan 450 ». Efa moto roa tamin’ity modély vaovao ity sahady no lafo nandritra ny fampahafantarana ofisialy ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny CT Motors Andraharo. Vaovao tanteraka na ny endriny na ny motera Sherpa monocylindre 452 cm3 an’ity Himalayan 450 izay mampiavaka azy amin’ny hafa, izay atosika “Boite de vitesse à 6 rapports”. Ankoatra izay, manana tanjaka hatrany amin’ny 40 chevaux ity hiaka farany navoakan’ny Royal Enfield ity. Mitsitsy sy sahaza ny lalana rehetra izy, 2,5litatra isaky ny 100 km monja ny solika laniny. Mahatratra hatrany amin’ny 17 litratra ihany koa ny fitoeran-tsolikany. Miavaka ny « Himalayan 450 » noho izy ahitana ireo hiaka faran’ny teknolojia eny aminy. Hafa ihany koa ny « cadre » ary tsy mihontsakontsana izany ny Moto rehefa entina. Azo ampiasana ny « Google Maps » ihany koa izy amin’ny alalan’ny « Tripper Dash » izay isan’ny zava-baovao sy mampiavaka azy amin’ireo kodiarandroa hafa. Manampy izany ireo kojokoja, toy « port de chargement USB-C » hita eny aminy. Afaka tonga mijery ity vokatra vaovao ity eny amin’ny Showroom ny CT Motors Andraharo sy any Toamasina ary Nosy Be ireo te hanjifa izany. Manasa ny rehetra tsy ankavaka liana amin’ny tontolon’ny kodiarandroa ihany koa ny orinasa hijery sy hanjifa izay mety aminy eny an-toerana.
Henintsoa H.