Mbola ao anatin’ny fitsarana ny taratasim-panadinana bakalorea ny mpampianatra amin’izao fotoana izao. Hozaraina tsy ho ela ny tambin-karama ho azy ireo, raha ny fanazavana voaray.
«Hozaraina amin’ity herinandro ity ny tambin-karama andiany voalohany ho an’ireo mpampianatra mitsara sy niambina ny fanadinana bakalorea tamin’ity taona ity », raha ny fanazavana voaray. « Ezahina haroso mialoha ny fizarana izany amin’ity taona ity, mba hialana amin’ny fahatarana », hoy ny tale misahana ny fitantanam-bola eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo, Andriantsizehena Benja. Nambarany fa efa eny am-pelantanan’ny mpitantana ny Oniversiten’Antananarivo avokoa ireo tambin-karama ho an’ny mpitsara ny fanadinam-panjakana bakalorea. Amin’ny ankapobeny, mitaintaina hatrany ny mpitsara ny fanadinam-panjakana isan-taona raha ho voaloa na tsia ny tambin-karama, raha ny zava-misy. « Efa ampy handoavana ny vola ho an’ny mpampianatra mitsara ny fanadinana bakalorea ny vola eny am-pelantan’ny Oniversite hatramin’izao fotoana izao », hoy hatrany izy. Nisy ny ezaka nataon’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny toekarena tamin’ny alalan’ny taratasy “circulaire budgétaire”, nahafahana nisitraka ny vola mialoha sy nikirakirana ny taratasy rehetra. Tanjona ny hialana amin’ny olana miverimberina amin’ny tsy fahazoana ny tambin-karama. Nisaotra ny fitondram-panjakana izy ireo tamin’ny ezaka nataon’ ireo minisitera tomponandraikitra amin’ny fandefasana ny vola mialoha.
Marihina fa efa nozaraina tamin’ny volana avrily teo avokoa ny tambin-karama farany izay mbola tsy voaloa tamin’ ny herintaona. Efa nahazo izany avokoa ireo mpampianatra nitsara na niambina teo anivon’ny fari-piadidian’Antananarivo sy ny manodidina. Nambarany fa tsy misy intsony ny tambin-karama ambiny tsy voaloa tamin’ny taon-dasa.
Mino