Izay mitambatra no vato

Tsy hita be ihany ny andraisana ilay fomba fi­sainan’ny Malagasy. Raha manana finiavana ny hila ravi­nahitra na hitondra politikam-pampandrosoana any amin’ny toerana hafa dia voailika. Voalaza fa tsy zana­ky ny faritra na mpanjanaka maoderina. Raha mba manana drafitrasa ao an-tanàna indray anefa dia mpaminany tsy masina an-taniny izao indray! Tsy hita be ihany.
Mampiraviravy tanana izay mba manam-piniavana ny hanao zavatra izany. Miverin-dalana ireo mba te hizara ny fahaiza-manaony. Mitsoaka any ivelany mi­hi­tsy aza ny ankamaroany, raha mahita lalana hitsoahana. Ireo manam-piniavana hijanona mba te hanome ny anjara ho an’ny mpiray tanindrazana dia efa voailika.
Tsy fantatra intsony na misy ny finiavana hampandroso ny tanàna sy ny faritra na tsia? Izay afaka mangorona dia mangorona. Izay afaka mifehy dia mifehy. Manakatona ny varavarambe ho an’ny rehetra tena manam-piniavana. Ny milaza ny marina sy te handeha mahitsy no voatsipaka am-bavafo. Fiarahamonina tia zavatra mifanohitra mihitsy Ramalagasy.
Hita taratra amin’ny ohapitenenana andavanandro moa izay, fa dia asakasatsika tsy hahay mandray izay tokony horaisina. Anatin’ny fahasahirana sy ny fahoriana lalina isika amin’izao fotoana izao ka mila fijery miabo tambabe mihitsy. Tsy misy tokony hovakivakin’ny fiaviana, na zarazarain’izay faritra. Malagasy iray tsy mivaky, tokony hiara-miroso dia miara-mirona. Efa napetraka rahateo ny minisitera iray misahana ny Firaisankina.
« Ny ranomasina no valam-parihiko », hoy ny mpan­jaka Andrianampoinimerina. Ny mifanohitra amin’izany ny zava-misy, ankehitriny. Samy maka ho azy sy manangan’efitra avokoa izay manana fahefana hanao izany. Mila fandinihana! Tsy fotoanan’ny zarazarao hanjakana intsony izao fa izay mitambatra no vato!

r.r

Partager sur: