Miditra amin’ny andiany faha-13 ny hetsika « Festival Jazz Tohatohabato ». Samy hankafy sy hahazo anjara ny rehetra, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Ireo ankizy no hisantatra izany.
Tanterahina anio, eny amin’ny Tranompokonolona Analakely, ny «Jazz Kids». Hetsika tafiditra ao anatin’ny «Festival Jazz Tohatohabato», andiany faha-13. Sehatra natao ho an’ireo ankizy vao manomboka miditra eo amin’ny mozika Jazz ity. Fotoana hanehoan’izy ireo ny maha izy azy sy ny vokatry ny atrikasa sy fampiofanana maro nataon’izy ireo. Anisan’ ny antony nanaovana izao hetsika izao ny hanomezana sehatra ny mpiangaly ny mozika Jazz rehetra ao anatin’ny «Festival Jazz Tohatohabato». Mbola hisy ihany koa mantsy ny hetsika hanomezana sehatra ireo sokajin-taona hafa.
Ireo kilonga miangaly ny mozika Jazz no hisantatra ny sehatry ny «Festival Jazz Tohatohabato». Amin’ny ankapobeny, ireo ankizy avy amin’ny sekoly mampianatra mozika sy zavamaneno no mandray anjara amin’izany. Anisany ny avy ao amin’ny Jazz Club CGM, ny Aponga MDS… Fotoana hankafizana sahady ny tsiron’ny «Festival Jazz Tohatohabato» andiany faha-13 izy ity, indrindra ahitana ny talentan’ireo ankizy, izay hoavin’ny mozika Jazz eto Madagasikara. Tsiahivina fa efa nisy ny atrikasa niarahan’ireo ankizy eny anivon’ny sekoly fampianarana mozika sy zavamaneno tamin’i Pascal Haas. Ity farany izay manam-pahaizana manokana nafarana avy any ivelany hanatsara ny fahafehezan’ny mpiangaly mozika ny Jazz. Antenaina, araka izany, ny hisian’ny seho miavaka amin’ny isan-taona, amin’ity andiany ity.
Maimaimpoana ary misokatra ho an’ny rehetra ny “Jazz Kids”, anio. Hitohy rahampitso amin’ny alalan’ny “Jazz V. I. P” izany, fampisehoana izay handraisan’ireo tomponandraikitra maro anjara.
Lin