Endrika ivelany sisa: very fangitra ny zavakanto

Rehefa mety ho zavakanto, saika very fangitra avokoa. Na, mety ho sarotra aza ny mahita ny madio ranoiray, azo antoka fa misy maro ny zavakanto manaja ny soatoavina ma­lagasy. Endrika ivelany miharo fakan-tahaka be fahatany no hita matetika. Na, milaza ny mitondra zava-baovao, kanefa, nanao tery vay manta tamin’ny fampiarahana ny kantom-bahiny sy ny an’ny Malagasy. Tranga manamafy indray fa very fangitra ny zavakanto malagasy.
Vao mainka very fangitra lavitra be ny ankehitriny, satria, niainga tamin’ny fakan-tahaka fotsiny. Ilay halain-tahaka anefa efa tsy mahatazona ny fototra intsony. Ny tononkiran’ny tarika Ny Antsaly ao amin’ilay hira «Lanitra mangamanga» milaza fa : « … Ny adiady natao fahiny, aza mba atao lonjony… », niova ho « … Ny adiady natao fahiny, aza mba atao intsony… » ! Anisan’ny hitarika ny zavakanto malagasy ho any amin’ny lalan-diso ny fahaverezan’ny fangitra hoenti-miainga.
Anisan’ny fakana lesona sy atao ho fangitra fiaingana ireo mpahay kanto zoky. Tsy tokony hahamenatra ny fanaovana izany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: