Kianja Barea Mahamasina: mampiofana momba ny fandriam-pahalemana eny an-kianja ny Caf

Anisan’ireo singa iray notakina tamin’ny Kianja Barea Mahamasina ny resaka fandriampahalemana. Manoloana izany, misy ny fampianarana sy fifampizarana traikefa ataon’ny Caf mahakasika izany.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fampiofanana eo amin’ny lafiny fandriampahalemana, izay karakarain’ny Caf. Tonga niatrika izany avokoa ny solontena eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ireo tomponandraikitra ao amin’ny klioba 16 mandrafitra ny CFem, izay mifanintsana amin’ny “Pureplay Football League.”
Tsara ny mampahafantatra fa nataon’ny FMF ao amin’ny Kianja Barea mihitsy ity fampitana traikefa ity mba hahitan’ny Caf ny ezaka ataon’ ny fitondram-panjakana mahakasika ny fikarakarana ny kianja. Raha ny fanazavana voaray, i Ababacar Sene sy Fergani Hafid no mpampiofana nalefan’ny Caf, raha toa ka i Katharina Steinberg no misolotena ny Fifa mandritra ity hetsika ity eny an-toerana.
Haharitra telo andro eo moa ity fiofanana ity, raha ny nambaran’ny mpikarakara ary hifarana rahampitso. Hisy ny fizarana mari-pahatsiarovana ho an’ireo olona rehetra tonga niofana teny Mahamasina.

Hampitomboina ny isan’ ny torinike
Ao anatin’ny fanamboarana tanteraka tokoa ny Kianja Barea amin’izao fotoana izao. Nilaza ny loharanom-baovao iray ao amin’ity kianja ity fa hampitomboina ny isan’ireo torinike, isaky ny vavahady valo. Ankoatra izay, tazana fa efa tafapetraka ireo tohatra miisa 10 ary nofefena ny toerana hiasan’ny mpanao gazety. Tsy mbola misy kosa ny fikitihana ny efitrano fiomanana na ny “vestiaire”. “Mety hanafatra bozaka any ivelany ny fanjakana mba hanoloana ny teo aloha”, hoy ity loharanom-baovao ity. Ampahatsia­hivina fa tsy nahazo fankatoavana avy any amin’ny Caf ny Kianja Barea, ka tsy mbola misy lalao iraisam-pirenena mandeha eto Madagasikara.

Fitia Randria

Partager sur: