Lalao Olympika (JO 2024): hiditra an-tsehatra anio i Sidonie

Andrasan’ny rehetra fatratra amin’ity alarobia ity, ny fidirana an-tsehatr’i Sidonie Fia­danantsoa, eo amin’ny hazakazaka 100 m misy fefy sy ny an-dRandafiarison Rosina eo amin’ny fibatana fonjam-by, lalao Olympika tanterahina any Paris France. Izy mirahavavy ireo izay heverin’ny rehetra fa hahavita dingana lavitra.
Hiatrika ny fifaninanana ao amin’ny Stade de France i Sidonie, raha ao amin’ny Arena Paris Sud 6 ny i Rosina. “Hiezaka ny hanatsara ny zava-bitako sy ho tafita amin’ ny dingana manasa-dalana aho”, hoy i Sidonie. Ao amin’ny “serie 1” ary amin’ny “couloir” fahatelo misy azy. Hifampitana amin’ilay amerikanina, i Johnson Alaysha, sy ilay jamaikanina, i Brown Janeek, ny tovovavy amin’ity. Tafita miatrika ny manasa-dalana ny 3 voalohany. Manao famerenena kosa ny ambiny.
Hifaninanana eo amin’ny sokajy – 49 kg i Rosina. 12 mirahavavy izy ireo no hifampitana ao ka anisan’izany ilay romana, i Cambei. Tsiahivina fa i Sidonie sy i Rosina sisa hany mifaninanana ho an’i Madagasikara. Marihina fa atleta fito no solontenan’i Madagasikara amin’ity lalao Olympika 2024 ity saingy efa nihintsana avokoa ny dimy. Anisan’izany i Laura, judoka; i Fabio, ping pong sy i Jonathan, lomano lehilahy ary i Holy Antsa, vehivavy mpilomano. Miampy an’i Rija, lehilahy mpihazakazaka 100 metatra.

Tompondaka

Partager sur: