Fanavahana sy fakana fako: natomboka teny amin’ny fokontany Ampefiloha

Natomboka ny faran’ny he­rinandro teo ny tetikasa andrana ho fanatsarana ny fa­kana sy ny fitanterana ny fako, ao amin’ny fokontany Ampe­filoha. Tafiditra amin’ny tetikasa fanatsarana ny rafi-pitantanana ny fako eto Anta­nana­rivo (Gesda) nizany, izay fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny fanjakana japonais. Ny volana febroary 2023 no niandoha ny fiaraha-miasa ho fanavaozana ny fi­tantanana ny fako eto an-dRe­nivohitra. Dingana voalohany notanterahina ny fanavahana ny karazana fako teny ifotony mi­ainga any an-tokantrano mihitsy sy eny anivon’ny toeram-pivarotana maromaro. Andraikitry ny Société municipale d’assainissement, SMA, no maka ny fako tsy tapaka fa ny mpiasan’ny tetikasa kosa no mikarakara ny fako eny amin’ny toby samihafa misy mba hampirindra ny tetikasa.
Mifarimbona ny minisiteran’ny Rano sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny SMA ary ny Jica, amin’ny fa­natanterahana izany. Tanjo­na ny hanana tontolo madio eny amin’ny fokontany Ampe­filoha rehefa voatantana tsara ny fako amin’ny teny filamatra hoe « fako tsara tantana, Ampefiloha cité maha te honina ».
Telo volana ny faharetan’
ny tetikasa ka andrana ny ety Ampefiloha fa hitarina amin’ny fokontany hafa vonona handray izany any aoriana. Nam­pahafantarina ny mponina teny an-toerana ny tombon­tsoan’ny fahaizana mitantana ny fako miainga any an-tokantrano iarahana amin’ny mpanohana.

Vonjy

Partager sur: