Indray mijery

Nidinika niaraka tamin’ny tomponandraikitry ny BNGRC ireo solontena avy ao amin’ny Unicef ny herinandro lasa teo, tetsy amin’ny Foiben’ny BNGRC. Miompana amin’ny dingana arahina amin’ny fanafarana sy famoahana ireo kojakoja maha olona eny anivon’ny fadintseranana izany.
Tsy hisy tranga miavaka mety hanova ny firafitry ny toetr’andro eto Madagasikara, amin’ity herinandro ity. Ny varatraza malefaka no handrafitra ny toetry ny andro izay hihamahazo vahana mankany amin’ny faran’ny herinandro. Hisy orana tandrifin-drahona manamorona an’Atsimo Atsinanana sy Taolagnaro manomboka anio.
Hisokatra manomboka ny 19 aogositra ho avy izao ny fanofanana arakasa mahakasika ny asa mifandray amin’ny fanaovana printy ao amin’ny CFP Ampa­sampito. Ahitana karazam-piofanana telo izany : PAO, Agent de maintenance du système d’impression ary Sérigraphie. Manao antso amin’ireo tanora vonona sy mahafeno fepetra ny minisitera tomponandraikitra satria maimaimpoana ny fanofanana.
Nandray ny solontenan’ny ivontoeram-pikarohana momba ny ranomasina, CNRO, avy any Nosy-Be ny filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga, Pr Randrianam-binina Blanchard. Misehatra amin’ny fikarohana momba ny tontolon’ny ranomasina sy ny fanofanana ny ivontoerana ka nijery ny fiaraha-miasa ny roa tonta nandritra ny dinidinika natao.

Partager sur: