Anjerimanontolo : tsy ampiharina ny lalàna

Mivoatra ny sehatry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa ola­na ny tsy fivoaran’ny lalàna sady tsy misy fampiharana izay lalàna vaovao havoaka. Takina ny fampivoarana ny lalàna manan-kery sy ireo voka-pikarohana voarakitry ny bokin’ny mpikaroka mpam­pianatra sy ny mpianatra eny anivon’ny anjerimanontolo ho azo hampiharina hitondrana fivoarana ho an’ny fiarahamonina. Tsiahivina, ohatra, ny fanohanana voka-pikarohana ahazoana ny di­plaoma «Habilité à diriger des recherches» (HDR), na­taon’ny dokotera Zafitody Conscient, mpampianatra mpikaroka anivon’ny oniversten’i Barikadimy sy Fenoa­rivo Atsinanana. Efa filohan’ny oniversiten’ i Toamasina izy fa tsy nahavita ny fotoam-piasana ny taona 2021. Nitondra famelabelarana ny lohahevi-pikarohany teo anatrehan’ ireo mpitsara fito mianadahy izy ny volana novambra lasa teo, tetsy amin’ny Ecole doctorale Thématique ao amin’ny oniversiten’i Barikadimy. «Fa­nampiana ny mponina ambanivohitra sy tohana ara-pitaovana ho fanatsarana ny fivelomany maharitra no lohahevitra nohadihadiany tao anatin’ny faritanin’i Toamasina, nandritra ny fotoana maharitra. Noha­zavainy ny fomba fanatsarana ny vokatra sy ny fampitaovana ireo tantsaha hampiakatra ny vokatra sy ny vola miditra isan-tokatrano. Voa­laza koa ny paikady ahafahan’ny tantsaha hindram-bola ka raha ireo rehetra ireo no tontosa, azo heverina ho afaka ny tsy fahampian-tsakafo ary ha­nana antoka ny tantsaha ma­lagasy. Nohamafisiny fa ilaina ny fiarovana ny tantsaha mialoha ny loza voajanahary. Vonona izy, raha omena an­draikitra, hitondra fampiroboroboana ny tontolon’ny tantsaha fa saingy ilana lalàna fampiharana izany rehetra izany, araka ny fanehoan-keviny.

Sajo

Partager sur: