Mbola latsaky ny 10% amin’ny toeram-pambolena isan-taona no voavoly vary any Alaotra amin’izao fotoana izao, hoy ny fanambaran’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka Seces, sampana Antananarivo, omaly. Mihantona ny rotsak’orana any an-toerana vokatry ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fiakaran’ny hafanan’ny tany. Manify ny tahirim-bary any Antsihanaka satria tafakatra 800 Ar ny vidin’ny varifotsy iray kapoaka, araka ny fanadihadian’izy ireo. Raha tsy misy ny firotsahan’ny orana ampy sy matetitetika faran’izay haingana dia ahiana ny fisian’ny mosary goavana eto Madagasikara ho an’ny taona 2023, araka ny fanamarihany ihany. Mandroso vahaolana mahomby ny mpikambana ao amin’ny Seces, mangataka ny handrotsahana orana artifisialy rehefa feno ny fepetra ahafahana manatanteraka izany. Miantso ny fanjakana handray andraikitra haingana izy ireo hisorohana ny mosary mananontanona raha tsy mihetsika ny mpitantana ny firenena. Efa nisy ny fandatsahana orana nataon’ny mpiasan’ny meteo malagasy noho ny fangatahan’ny Jirama farany teo. Lafo ny saran’ny fandatsahana orana artifisialy satria mila fiaramanidina.
Vonjy A.