Mahay milalao

Henjana ara-bakiteny ry zalahy sy ry zavavy ! Talen­tany raha ny serasera , indrindra ho an’ny tombontsoan’ny tenany na ny vondrony manokana. Nampiaky volana ny seho niezinezina nataon’ikala tany amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tena hoe iza no tsy gaga ? Nisy aza ny tandapa sasany tena nihorohoro ara-bakiteny. Efa namoaka vava ny hametra-pialana raha tafaverina eto ilay ramatoa.
Iza tokoa moa no nino manoloana ilay fivoahana tampoka, tonga dia ary ambovonana tahaka ireny. Firifiry ny mba te hiseho fahitalavitra iraisam-pirenena fa tsy tafa. Tsy moramora ny fahafaha-manao izany, indrindra fa hoe gadra afaka ! Niteraka resabe ireny, indrindra fa ny mety ho firaisana tsikombakomba teo aminy sy ny filohan’ny Repoblika. Nohirahirainy rahateo fa mbola mifandray tsara izy mianadahy. Heverin’ny olona hoe kolikoly, navotana tamin’ny kolikoly.
Vetivety ihany anefa dia nisinda ny ahiahin-dRamala­gasy. Tsy nisy nidiran’ny fandoavana antoka na fijabahan’ ny fitondrana izany. Ny azo ambara dia manam-bitana sy manan’andro ilay renim-pianakaviana. Betsaka no diso kajy nihevitra azy ho lo tany am-ponja. Maro no naniry azy ho taraiky tany. Anisan’ny vehivavy mba tsy sahin’ireto tandapa marobe nampitondraina faisana izy iny.
Andrasana, araka izany, ny ho fivoaran’ny raharaha mahakasika an’ity andriambavilanitra ity. Mbola mibaby tsikoko, tarazo navelan’ilay fiampangana azy. Na ho aiza na ho aiza ikala dia kisarin’olo-meloka hatrany aloha no ho hita. Tsy nahakosoka ny dian-tanan’ny vazaha be anglisy, izay tsy mitsitsitsy ny sata naha olo-malaza sy ny naha olona ambony azy.
Tany amin’ny firenena anisan’ny sarotiny amin’ny kolikoly sy ny fampiasana ny maha olom-panjakana azy no nijabaka. Na inona na inona anefa ny ambara sy lazain’ny mpitazana dia noporofoiny fa hainy ilay milalao serasera sy misera.

r.r

Partager sur: