Tarika KabôsySpirit: manandratra sy mitrandraka ny gadona malagasy

« Tano ny an’ny tena fa ny an’olo tsa homeny ». Izay no namehezan’i Doda, mpitendry kabôsy ao amin’ny tarika KabôsySpirit ny resaka nifanaovana taminy. Izay fanandratana ny gadona malagasy izay rahateo no tena ifotoran’ ity tarika avy any amin’ny faritra Matsiatra Ambony ity. «Fiai­nako ny fitendrena kabôsy izay anisan’ireo zavamaneno nentim-paharazana mampiavaka an’i Madagasikara ary manana ny maha izy azy, indrindra any amin’ny faritra atsimo. Gadona maro isan-ka­razany no avoakan’io kabôsy io raha tsy hiteny afa-tsy ny kila­laka, ny mangaliba, ny horija … », hoy izy nanazava. Tarika mifototra amin’ny kabôsy ny Ka­bôsy Spirit ary manana ny mam­piavaka azy eo amin’ny fandravahana sy fiangaliana ny mozika avoakany. Kabôsy­spirit ihany koa ny iantsoan’izy ireo ny gadona voiziny izay azy manokana ary mampisongadina ny kabôsy laroana zavamaneno hafa toy ny gitara beso, amponga maroanaka, farara… Anisan’ny nahafantarana ny Kabô­sy Spirit ny na­moahan’izy ireo ilay rakikira sy rakitsary « Tonga mamangy », ny taona 2015 izay itarafana ny gadona mampiavaka azy ireo.
Hoentin-dry zalahy an-tsehatra etsy amin’ny La Tein­turerie Ampasanimalo, ny zo­ma 9 aogositra ho avy zao, io talenta tsara trandraka io. Manomboka amin’ny 08 ora alina ny fotoana izay anasan’izy ireo ny mpankafy hianoka ny kabôsyspirit. Hafa mihitsy ny mozika misy fototra izay fanoitra hiarovana ny kolon­tsaina malagasy tsy ho very. « Ity fotoana rahampitso ity dia hetsika iray anisan’ny hiverenantsika mpankafy mozika an-doharano hanandratana ny mozika malagasy. Mamorona fa tsy mamerina », hoy i Doda namarana ny resaka.

Andry F.

Partager sur: