Fantatra, ny talata lasa teo, ny anaran’ireo ekipa 12 tafita hiatrika ny dingana faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa « World Cola Ligue des Champions 2024 ». Anisan’ireo tafakatra amin’izany ny FC Theo, Zoya FC, AS St Anne, Tia Kitra, FC Jaboady, AS Fos, Jet Kintana, Sphinx Academy, FC 119, AS Comato, FCA Ilakaka, ary ny FC Avenir du Sud. Araka ny fanazavana azo tamin’ny loharanom-baovao iray teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra omaly, hodinihan’izy ireo miaraka ny tohin’ity fifaninanana ity ka ny resaka toerana no tena horesahina amin’izany. Raha tsy misy ny fiovana, ho fantatra rahampitso ireo toerana roa hanatanterahana ny dingana faharoan’ny D2 Nasionaly. Tsy misy fiovana kosa ny daty hanaovana ny fifanintsanana manaraka fa ny 23 aogositra hatramin’ny 1 septambra.
Tsiahivina fa amin’ity andiany manaraka ity, hozaraina roa ireo klioba 12 tafakatra ka izay roa voalohany isam-bondrona no miatrika ny « Poule des AS », izay hatao lalao mandroso sy miverina. Tsara marihina ihany fa izay roa tsara isa indrindra amin’ny “Poule des AS” no tafita any amin’ny fifanintsanana « Pureplay Football League ».
Fitia Randria




