Nihaona mivantana, ny talata teo, ireo ben’ny Tanàna ao amin’ny distrikan’i Taolagnaro sy ireo solontenam-panjakana izay notarihin’ny governoran’ny faritra Anôsy, Rakotovelomanantsoa Voahary, miaraka amin’ny solombavambahoaka…
Nandinihana ny fampiharana ny didim-panjakana N°2020-833 mamaritra ny fitantanana, fampiasana ary fanaraha-maso ny famatsiam-bola natokana ho fanohanana ny sehatry ny fampandrosoana (CIAD) ampiasain’ireo solombavambahoaka eny ifotony ny fihaonana.
Nitatitra ny laharam-pahamehana isaky ny kaominina araka ny voafaritra ao anatin’ ny programa ho an’ny fampandrosoana ifotony (PDLIi) ny ben’ny Tanàna. Tanjona ny fampandraisana anjara feno ireto ben’ny Tanàna ireto amin’ ny ho fampiasana ny famatsiam-bola CIAD iarahana amin’ ny olom-boatendry.
« Andraikitra lehibe ho an’ ny faritra ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana ety ifotony, ka mandrindra ihany koa ireo tetikasam-pampandrosoana miasa eto an-toerana, mba hamaly ny hetahetam-bahoaka sy hanatanterahana ireo andry fototra ho an’ny fampandrosoana izay napetraky ny fitondram-panjakana », hoy ny governora, Rakotovelomanantsoa Voahary.
Kendrena ny hampifanindran-dalana ireo asam-pampandrosoana ao an-toerana izay iarahana manatanteraka amin’ireo mpiara-miombon’ antoka. Faritra manan-karena miaraka amin’ny mponina miray hina sy mandroso no tanjona.
Tatiana A




