Ho an’ny faritra 14: hitombo ny rotsakorana amin’ity volana ity

Ho an’ity volana ity, vinavinaina hifanaraka na hanatombo kokoa noho ny tokony ho izy ny rotsakorana ho azo ho an’ny faritra Diana, Sava, Ambatosoa (tapany avaratra), Sofia (sisiny avaratra), Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana (tapany avaratra), Ihorombe (tapany atsinanana), Atsimo Atsinanana, Fitovinany, Vatovavy (tapany atsimo), Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania sy Vakinankaratra (tapany andrefana) ary Bongolava (tapany atsimo). Ho an’ny faritra sisa kosa, vinavinaina hifanaraka na hihena noho ny tokony ho izy ny rotsakorana ho azo. Tamin’ny volana jolay lasa teo, nahazo orana ny faritra Sava, Ambatosoa sy Analanjirofo ary Atsinanana (mihoatra ny 100 mm). Ho an’ny faritra sisa, nanakaiky na la­tsaky ny 50 mm ny rotsakorana azo. Raha ampitahana amin’ny orana azo tamin’ny volana jolay 2023 ny rotsakorana nandritra ny jolay lasa teo, maina kokoa ny ampahan’ny faritra Sava, Analanjirofo, Atsinanana, Vatovavy sy Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Ho an’ny faritra sisa, tsy nisy fahasamihafana ny orana tamin’ny volana jolay raha mitaha tamin’ny taon-dasa.

Vonjy

Partager sur: