Mpisehatra amin’ny fisorohana ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na ny mahavavy miisa 25 mianadahy no niofana nandritra ny 3 andro, tao Antsiranana. Fotoana nahafahana nandalina karazana hevitra maro sy rafi-dalàna mifandray amin’ny fitovian’ny lahy sy ny vavy ny fiofanana.
Natolotra tamin’izany ireo fitaovana enti-miasa hisorohana ireo karazana herisetra.
Ny delegasion’ny Vondrona eoropeanina no niara-niasa akaiky tamin’ireo tomponandraikitra tao an-toerana sy ny firaisamonim-pirenena, efa hatramin’ny taona 2022. Tanjona ny hametraka rafitra manampy tosika ireo vehivavy sy hampahaleo tena azy ireo amin’ny asa fivelomany ary koa hiadiana amin’ireo karazana herisetra.
Nankasitrahina ireo mpandray anjara rehetra, nahitana ny talen’ny Ofisim-paritry ny mponina sy ny firaisankina ao amin’ny faritra Diana, Andriamampianina Marie Harimbonana.
Nifarimbonan’ny mpandrindra ara-teknika ny fandaharanasa miralenta avy amin’ny Vondrona eoropeanina eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina ny fanatanterahana ny fiofanana.
Tatiana A