Noho ny « kolo saina maoderina »: nanjary mora fitahina ny Malagasy

Tahaka ny vatana mila koloina sy omena sakafo sahaza azy ny saina. Nanana amby ampy tamin’ireny ny Malagasy fahiny… Amin’izao vanim-potoana izao, nisy ny fiovana noho ny antony maro. Iray amin’ireny ny tantara. Nanana ny fiantraikany tamin’ny Malagasy izany !

Fitaizana, fanabeazana… Samy sehatra lehibe hoenti-mikolo ny saina. Ho an’ny Malagasy, tany ambadik’Imanareza, nanaraka ny lamina voanajahary izany, hany ka nivelatra sy nahatakatra zava-dalina ny sainy. Vokany, tafapetraka tsy natsatoka ilay valan’ny fahendrena. Malagasy mazava fo, madio saina, olon’ny fahendrena.

Tafiditra teto ireo karazam-bahiny maro… Niova tsikelikely ny Malagasy. Satria, niova ny kolo saina tao anatin’ny fiarahamonina. Nanjary nifangaro teo imasony ny trangan-javatra maro. Malagasy nahalala an’Andriamanitra, nivarina any amin’ny Malagasy mino an’Andriamanitra. Malagasy nanaja ny antitra, tonga Malagasy mpanivaiva ny zokiolona. Malagasy mahalala ny fisian’ny tody, tsiny, sns, lasa Malagasy nangovitry ny « afobe », sns !

Nanjary fohy fisainana sy fotsy fanahy

Mikely aina fatratra ny vahiny manapariaka ny « kolo saina maoderina » (kolo saina vaovao) nentiny. Satria tsy sahaza ny Malagasy ireny. Nanana fiantraikany ratsy ho an’ny taranaka aty aoriana. Raha niaina tamin’ny takalo ny Malagasy fahiny, rehefa nokoloina tamin’ny vola ny sainy, mora aminy ny mandatsak’aina. Nanjary lehibe lavitra noho ny aina ny vola. Na olona miharihary izao aza fa manao ny tsy mety (na ratsy, maloto, tsy mendrika, tsy araka ny rariny sy ny hitsiny…), arahina sy lohalohavina an-tampon’ny loha, noho ny vola. Nanjary fohy fisainana sy fotsy fanahy ny Malagasy noho ilay kolo saina nentim-bahiny sy ny fanaovana rapadango!

Mila mitandrina

Mihazakazaka manao izay fomba rehetra hidirany sy honenany eto Madagasikara ny vahiny. Miara-dia aminy amin’izany fivoizana ilay kolo saina hoe: « tsy mahavelona ny mipetraka eto Madagasikara. Aleo mankany andafy… ». Atao izay tsy hipetrahan’ny taranaka malagasy eto amin’ny tanindrazany… Ho lasany mora foana i Madagasikara avy eo!

Raha novolavolaina sy nobeazina tamin’ny kolo sainy nefa ny taranaka malagasy, tsy ho tratran’io fandemen-tsaina io. Mila mitandrina fatratra fa mampidi-doza ny « kolo saina maoderina » !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: