Atrikasa sary varatava: tanjona ny zavakanto tsara kalitao

Tontosa omaly, teny amin’ny ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola, ny atrikasa nokarakarain’ny fikambanana Varatava. « Amener la ressemblance à nos portraits », ny lohahevitra novoizina nandritra ity atrikasa ity. Hetsika tafiditra ao anatin’ny « Iray volan’ny varatava ». Tanjon’ny hetsika ny hanomezana sehatra ireo mpikambana eo anivon’ny fikambanana sy hampivelarana ny tontolon’ny sary eto Madagasikara.

Nifarana omaly ny « Amener la ressemblance à nos portraits », atrikasa natao indroa miantoana, ny talata 6 aogositra ny tapany voalohany ary iny natao omaly iny no mamarana azy. Araka ny anarana nentin’ny atrikasa, ny hanatsarana ny kalitaon’ny sary vitan’ireo mpiangaly izany no tanjona. Ny hitovizan’ilay sary amin’ilay alaina tahaka. Nisy ny paikady nomena ireo mpandray anjara mba hahatongavana amin’izany, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Tsy vitan’ny fananana talenta fotsiny ny fanaovana sary fa ilaina ihany koa ny fanarahana ireo fenitra sy paikady efa mipetraka mba hahalavorary sy hahatonga izany ho kanto.

Lin

Partager sur: