Fitetezam-paritr’ireo mpilalao tantara: hiaka-tsehatra any Moramanga ny Iray Fy’Art

Hitohy any Moramanga indray ny seho an-tsehatra hotanterahin’ireo mpilalao tantara amin’ny onjampeo, Iray Fy’Art. Hotanterahina ao amin’ny Tranoben’ny serasera, Mangoro Ambohibary, Moramanga izany, ny alahady 25 aogositra izao, hanomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hoentin’izy ireo an-tsehatra amin’izany ny tantara maneho ny fiainana andavanandro sy ny fifanjevoan’ny resa-pitiavana ary koa ny fampihomehezana, araka ny nambaran’ny mpanoratra ny tantara, i Niravo Randria sady filohan’ny Tarika. “Misongadina amin’izany koa anefa ny hafatra sy ny anatra ho an’ny rehetra. Tafiditra ao anatin’izany ny fanandratana ny fanabeazana sy ny kolontsaina ary koa ny fanomezana lanja ny tantara amin’ny onjampeo, entina an-tsehatra”, hoy izy.

Fotoana iray koa io hifanakaikezan’ny mpankafy sy ny mpijery mivantana ireo mpilalao tantara amin’ny onjampeo, mpikambana eo anivon’ny tarika Iray Fy’Art. Anisan’izany Rakoto, Faly, Synèse, miaraka amin’i Niravo sy i Antsa Ravaka. Hisahana ny lafiny teknika sy ny fandrindrana an-tsehatra ary ny fanentanana i Bruno Rakotomalala.

Mialoha izany, hanatanteraka seho eny Ampangabe, eo amin’ny kianja Analamanga Parc (RN7) izy ireo, ny alahady 18 aogositra izao manomboka amin’ny 1ora tolakandro. Hiaraka amin’izy ireo amin’izany fampisehoana izany koa i Agrad sy ireo mpanakanto marobe, misehatra amin’ny mozika maroloko.

Synèse R.

Partager sur: