Vola 2 hetsy isan-tokantrano no hozaraina ao anatin’ny tetikasa Tsimbina. Mitentina 165 miliara Ar ny vola hozaraina manerana ny Nosy. Ireo tokantrano tena marefo an-tanàn-dehibe no hisitraka izany ho fiatrehana ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny fidiran’ny mpianatra.
Ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, mihitsy no nampahafantatra ny fiaingan’ny tetikasa Tsimbina tetsy amin’ ny Kianja mitafo Mahamasina, omaly, hanaporofoana ny fanatanterahana ny andry voalohan’ny politikam-panjakana dia ny fiahiana ny maha olona. Tetikasan’ny fitondram-panjakana, iarahana amin’ny Banky iraisam-pirenena ny Tsimbina. Ny Fid kosa no manatanteraka eny ifotony.
Tokantrano marefo miisa 821 250 manerana ny Nosy, araka izany, no hahazo tohana manokana. Vola mitentina 165 miliara Ar no hozaraina amin’izany, ka mitentina 2 hetsy Ar avy no hositrahin’ireo tokantrano hahafahana miatrika ny fiakaran’ ny vidim-piainana sy ny fidiran’ny mpianatra izay efa atomotra.
Tamin’ny alalan’ny fahaiza-mitarika sy fahaiza-mandresy lahatry ny filoha Rajoelina Andry no nahazoana ny fanampiana avy amin’ny Banky iraisam-pirenena nahafahana manao izao fizaram-bola izao.
Ho an’ny eto Antananarivo manokana, mahatratra 150 000 ireo tokantrano marefo hisitraka izany. 2 600 ireo tonga tao Mahamasina, omaly, ka notsongaina manokana izy ireo hisitraka 250 000 Ar.
Hahazo betsaka amin’ny tetikasa Tsimbina ireo tokantrano marefo an-tanàn-dehibe. Anisan’izany Antsiranana, Toamasina, Mahajanga, Toliara, Fianarantsoa ary Antsirabe. Amin’ny alalan’ny mobile money no fomba hizarana ny vola ka mila manana finday ireo hisitraka izany hialana amin’ny filaharam-be.
Mandalo masontsivana maro
Misy ny masontsivana apetraka hahafahana misitraka ny Tsimbina. Anisan’izany ny isan’ny zaza nateraka, ny toetry ny trano fonenana sy ny asa atao…. Misokatra hatrany ny fisoratana anarana eny amin’ny fokontany ho an’ireo tokantrano marefo te hisitraka ny fizaram-bola. Mitaky finiavana sy fepetra kosa raha te hanohy ny fisitrahana ny tohana. Mila manatrika ireo fampiofanana mahakasika ny fahadiovana, fandraisana andraikitra amin’ny maha olom-pirenena fa indrindra ny fandrindrana fiainam-pianakaviana.
Nanaovan’ny filoha Rajoelina Andry tsindrim-peo fa ny fandrindrana fiainam-pianakaviana no hahafahana miady amin’ny fahantrana. Nanaovana fanentanana manokana mihitsy izany, omaly, tao Mahamasina. Tanjona ny hisian’ny fahatongavan-tsaina eo amin’ny ankohonana amin’ny handrindrana ny fiterahana .
Tatiana A