Iray amin’ireo hetsika momba ny dihy nahatafapetraka zavatra maro ny « Festival 321 ». Ankoatra izay, mitohy ny dia… Naneho ny hoavy manaraka ny andiany faha-6.
Nanomboka ny 5 aogositra ka hifarana anio, ny andiany faha-6 amin’ ilay hetsika lehibe momba ny dihy nampitondraina ny lohateny « Festival 321 ». Niompana amin’ny lohahevitra « Art vivant et numérique » ny fandaharam-potoana. Nanomezan-danja ny fandraiketana an-tsoratra ny dihy na ny kisarivolana. Fomba nanatanterahina izany ny atrikasa, fihaonana, fampirantiana, fanehoana an-tsary ny asa famoronana momba ny dihy, fampisehoana ny dihy voaforona.
Samy nanasongadina ny hoavy mamiratry ny soradihy malagasy, tamin’ny atrikasa notanterahiny na i Njara Rasamy (Cie Rianala) na i Rijamalala (Jarim’s Company). Nanome fiofanana momba ny fomba fijery sy fampiasana ny nomerika amin’ny fandraisana an-tsoratra sy fifampiresahana mazava amin’ny soradihy i Njara Rasamy. Raha ny momba ny « improvisation » atambatra ho tonga fihetsika mba hanjary dihy ny an’i Rijamalala.
Nampiasaina voalohany ny Studio Trano Tandroka
Mbola maneho ny hoavy mamiratry ny soradihy eto Madagasikara ihany koa ny nahafantarana fa hanomboka amin’ny volana septambra, hisokatra ho an’ny zavakanto ny Studio Trano tandroka etsy Behoririka, raha ny fanazavan’i Edrice mpandihy sady mpampiofana mpandihy. « Hifampizarana eto amin’ity toerana ity ny tontolon’ny dihy, ny zumba, ny yoga. Ny tontolon’ny fitaizam-batana sy fanahy tahaka ny karate sy ny qigong », hoy i Claude Justin, mpanabe sady tomponandraikitry ny Studio Trano Tandroka rahateo.
« Ao anatin’ny fahavelomana vaovao ny zavakanto malagasy. Anisan’izany ny tontolon’ny dihy », hoy i Ariry Andriamoratsiresy (Cie Rary), angady nananana sy vy nahitana ny Festival 321. Manamafy hatrany ilay famirapiratan’ny hoavin’ny soradihy malagasy io.
HaRy Razafindrakoto