Taona maromaro lasa izay, horonantsary iray nahitana sy nahenoana ankizilahy maromaro nihira an-dalambe, no lasa nalaza tampoka. Samy nahatsikaritra fa manam-peo azo trandrahina ireto tovolahy ireto, raha misy fanarahana bebe kokoa. Maro ireo nanolo-tanana ny hanosika ny talentan-dry zalahy ireto, ka nifanaraka ireo fa ankinina amina mpanakanto afaka mitari-dalana azy ireo ankizy ireo…. Niantefa tamin-dRajery ny safidy rehefa nisy ny fihaonana teo amin’ny ray aman-dreny, ny akademian’ny zavakanto sy ny kolontsaina sy ireo izay nanosika rehetra. Tapaka tamin’izany fa Zazakanto no natao anaran’ny tarika, ary nisitraka fampiofanana maro mahakasika ny hira sy mozika ry zalahy, ankoatra ny fianarana toy ny teny vahiny, ohatra.
Fa tsy zaza intsony anefa ry zalahy… Ka noho izy ireo miditra anatin’ny fahalehibeazana, na amin’ny taona na amin’ny mozika izay, dia niofo ho Feokanto ny tarika Zazakanto. Lehibe mira matotra, satria efa tsapa ihany koa ny vokatr’ireo fampiofanana sy tari-dalana nomen-dRajery sy ry Holy Razafindrazaka (nisahana ny lafiny feo), Ratax sy Eric (nampianatra zavamaneno) ary ireo ray aman-dreny.
Mitohy ny lalana eo amin’ny mozika, ary miroso mankany amin’ny matihanina kokoa ry Feokanto. Raisin’ny Talenta Production indray ry zalahy manomboka eto. Ho fampahafantarana voalohany ny anarana, sy fizarana an-tsehatra ny ketrika, hisy ny seho izay hotontosain’ny Feokanto ny zoma 16 aogositra izao, etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo.
Zo ny Aina