« Géoforum »- andiany faharoa: hifantoka amin’ny fikirakirana ny harena an-kibon’ny tany

Hotanterahina etsy amin’ ny Mining Business Center (MBC) Ivato, ny 22 sy 23 ao­go­sitra izao ny hetsika “Géofo­rum”, andiany faharoa. Hetsika iaraha-miasa sy tohanan’ny orinasa Telma Madagascar. Omena sehatra ny fanampiana ireo tanora malagasy maniry ny hanaraka ny lalam-piofanana Géoscience eny anivon’ny sekoly ambony polytechnique Vontovorona. Hifantoka amin’ ny fomba fiasa vaovao ho an’ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary, ny angovo, ny tontolo iainana, ary ny fa­najariana ny tany ity andiany faharoa ity. Mba hahafahana mampandroso ny toekaren’i Madagasikara. “Sehatra tokony hahaliana ny tanora mala­gasy io lalam-piofanana io noho ny fananan’i Madagasi­kara harena an-kibon’ny tany maro ary tokony hotrandrahana sy hotantanan’ny tanora izany”, hoy ny filohan’ny fikambanana UFIG, Rakotondratsara Fani­riantsoa, raha niresaka tamin’ ny mpanao gazety tetsy amin’ ny foiben’ny Telma Andraharo, omaly. Nampitondraina ny lohahevitra “Géoscience pour l’avenir” ny hetsika. Fotoana hampivondronana ireo manam-pahaizana, matihanina ary mpanapa-kevitra eo amin’ny sehatry ny Géoscience.

Ahitana hetsika maro eny an-toerana, mandritra ny roa andro. Toy ny fifanakalozana traikefa ataon’ny manam-pahai­zana, valandresaka samihafa mahakasika io lalam-piofanana io ary ahitana tranoheva fampirantiana maro. Varavarana misokatra ho an’ny tanora maniry ny hanohy fianarana sy hanampiana azy ireo amin’ ny lalana tokony alehany. Hisy ihany koa ny fifaninanana ho an’ireo tanora manana teti­kasa azo tanterahina.

Mino

Partager sur: