Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora: fotoana ampitomboana fahalalana sy traikefa

Nankalazaina omaly ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora. Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izany ho an’i Madagasikara. Nitarika izany ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahan­tena mpisolo toerana, Ramon­javelo Valéry. “Tanora liam-pivoarana, tanora mahay mikirakira niomerika, fanoitra amin’ ny fampandrosoana maharitra sy lovain-jafy” ny lohahevitra tamin’ity taona ity. “Sehatra iray ahafahan’ny tanora mampiseho ny hetahetany amin’ny mpitondra fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka ary ny mpamatsy vola ny Andro iraisam-pirenena tahaka izao”, hoy Razanamasy Tsikitsiky, Tale jeneraly misahana ny tanora eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Fotoana iray ahafahahan’izy ireo mampitombo ny fahalalana sy traikefa efa hananan’izy ireo ihany koa. “Tsy fety fa fizarana traikefasy fahalalalana hahafahan’ny tanora mitombo ao anatin’ny fahaizana izay ny fankala­zana”, hoy hatrany izy.
Nomarihina tamin’nyhetsika maro

Nisy ny fampiofanana sy fizarana traikefa teo amin’ny tanora solontena isaky ny faritra 23. Teo koa ny Youth corner, andiany faharoa, nanomboka omaly hatramin’ny anio, eny an-toerana. Fotoana hizarana soa sy hirika fanararaotra ho an’ny tanora mahakasika ny fiofanana, hahafahana mi­tady fahazoana vatsim-pianarana… Nanomboka tamin’ny 5 ary hifarana ny 12 aogositra izao ny hetsika fanamarihana eto amin’ny Nosy. Hanaovana ny diabe ho an’ny fandriampahalemana ny tapany maraina. Hisy koa ny fampisehoana goavana iarahana amin’ny tanora tsy ankanavaka, ny tapany hariva.

Mino

Partager sur: