“Ny zavatra nolazain’ny Praiminisitra ny amin’ny fandaharanasa fanatanterahana ny PGE dia inoana fa ho tanteraka avokoa”, hoy ny depiote tsy miankina voafidy tamin’ny anaran’ny antoko GJMP tany Betroka, Faritra Anosy, Randrianasolo Jean Nicolas, teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) amin’izao fe-potoam-piasana izao. Na fanjakana iza mijoro eo, na mpanohitra no mahazo fahefana na ny ao anatin’ny fitondrana no mahazo fahefana: ny tanjony dia hoe hampandroso an’i Madagasikara. Tsy misy mpitondra hanao vinavin’asa hoe hamotika an’i Madagasikara. Koa raha hatolotry ny filankevitry ny governemanta ny PGE dia zavatra hotanterahina izany. Satria olombelona ihany koa izy ireo. Matoa manakiana ny olona, misy zavatra tsy mandeha na tsy tafita izany ao.
Nohamafisiny fa tokony hasiana fifandanjam-paritra sy fifandanjan’ny finoana amin’ny fandrafetana ny governemanta amin’izao, raha ny fijeriny. Mba hisy minisitra avy amin’ny foko Bara, ohatra. Maromaro ny distrika misy foko Bara. Malaza fa hoe maditra olona io foko io, hoy ny filazan-dry zareo. Tsy maditra olona ry zareo fa toa atao ankilabao foana. Tsy manavakavaka izy amin’izany, fa tokony hisy izay minisitra avy amin’ny foko Bara izay. Iaraha-mahalala fa matetika foko hafa foana no minisitra. Toy izay koa ny amin’ny finoana.
R. Nd.