«Festival jazz tohatohabato» : mipetraka hatrany ny maha izy azy ny hetsika

Notanterahina ny omaly, teny amin’ny Araben’ny fahaleovantena Analakely, ny fampisehoana lehibe namaranana ny « Festival jazz tohatohabato » andiany faha-13. Mozika maroloko sy mpanakanto marolafy no nandray anjara tamin’izany. Ankoatra ny fanomezana fahafaham-po ireo mpankafy Jazz. Anisan’ny tanjon’ny mpikarakara ihany koa ny fampahafantarana ny maha izy azy izany gadona izany.
Ny kanto tokoa no naseho nandritra ny famaranana ny « Festival jazz tohatohabato ». Anisan’ny nanafana ny sehatra, tamin’izany, ry Rajery, Fanja Andriamanantena, Manou Radonason, Samoela, … Gadona maro, araka izany, no nandravaka ny sehatra ary saika ny mpankafy mozika iray ma­non­tolo mihitsy no nahazo ny anjarany nandritra ny hetsika. Anisan’ny nampiavaka ny seho ihany koa ny fihirana an-tsehatra hira malaza iray nohatsaraina hifanaraka amin’ny gadona Jazz. Anisan’izany ny hira «Tsy akeo» an’i Jaojoby, niarahana niasa tamin’i Martin Zenker sy Pascal Haas, izay vahiny manam-pahaizana manokana mahakasika an’ity gadona ity.

Lin

Partager sur: